Hankany amin'ny vontoatiny

Fandiorano

Avy amin'i Wikipedia
Fandiorano
Gyrinus substriatus

Ny fandiorano dia bibikely maintimainty isan-karazany toy ny tsikovoka kely, izay mamorona ny fianakaviana Gyrinidae, ao amin' ny filaharana Coleoptera, miaina amin' ny ranomamy. Kinga izy ireo raha hilomano sady manao manao antsitrika ka mbetika anaty rano mbentika mitranga.

Fanasokajiana anatiny

[hanova | hanova ny fango]
Heterogyrus milloti

Indreto ny vondron-karazana ao amin' ny Gyrinidae izay mbola velona (tsy lany tamingana):

  • Aulonogyrus Motchulsky, 1853
  • Dineutus MacLeay, 1825
  • Enhydrus Laporte, 1835
  • Gyretes Brullé, 1835
  • Gyrinus Geoffroy, 1762
  • Heterogyrus Legros, 1953 - Madagasikara (karazana tokana: Heterogyrus milloti)
  • Macrogyrus Régimbart, 1882 (anisany ny Andogyrus Ochs, 1924)
  • Metagyrinus Brinck, 1955
  • Orectochilus Dejean, 1833
  • Orectogyrus Régimbart, 1884
  • Patrus Aubé, 1836
  • Porrorhynchus Laporte, 1835
  • Spanglerogyrus Folkerts, 1979 - Amerika Avaratra

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
Fandiorano

Indreto ny ohabolana malagasy momba ny fandiorano:

  • Toy ny fandiorano ny ratsy: koa miseho, tsy menatra olona; misitrika, tsy valahara.
  • Toy ny fandiorano, ka mainty ambonin' ny rano.
  • Tsikovoka sy fandiorano: rano no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy.