Ventin-drefy
Fiseho
Ny ventin-drefy dia habe manara-penitra sy nifanarahana fa hampiasaina handrefesana sy hampitahana ny toetra ara-pizika (toy ny halava, ny lanja, ny fotoana, sns.). Ireto ny ventin-drefy ampiasaina ao amin' ny Rafitra Iraisam-Pirenena momba ny Venty (Système international d'unités - SI):
- metatra (m): andrefesana ny halava
- kilôgrama (kg): andrefesana ny lanja
- segondra (s): andrefesana ny fotoana
- ampera (A): andrefesana ny vaikan' ny rianaratra
- kelvina (K): andrefesana ny maripana termôdinamika
- môla (mol): andrefesana ny habetsahan' akora
- kandela (cd): andrefesana ny vaikan' ny hazavana